Nihetraketraka indray ireo malaso nanafika tao Behara, distrikan’Amboasary Atsimo ny fiandohan’ity herinandro ity. Tsy vitan’ny nangalatra omby tao an-tanàna ireo dahalo fa nandatsaka ain’olona tsy manan-tsiny. Vehivavy roa no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo, rehefa avy noviravirain’izy ireo teo imason’ny fokonolona tsy afa-nanoatra. Anisan’ny mampirongatra ny asa ratsy samihafa any amin’ity renivohitry ny asan-dahalo sy vono olona ity koa amin’izao ny fahatapahan-jiro efa ho iray volana. Maizina ny tanàna, manjaka tokana ny olon-dratsy. Tapaka tsy mandeha ihany koa ny TVM sy RNM any an-toerana, ka tsy mahara-baovao intsony ny vahoaka mandry andriran’antsy. Lasa tany lavitra andriana Amboasary Atsimo amin’izao, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Manitrisa