Nifanjevo indray ny dahalo sy ny zandary tao Andranomena Tsivory, Amboasary Atsimo, andro vitsivitsy lasa izay. Naratra vokatr’izany ny Kapiteny Faneva, kômandin’ny kaompania Tôlagnaro. Araka ny fampitam-baovao azo, dia voan’ny balan’ireo dahalo izy ary tsy vitan’izay fa voafira famaky ihany koa. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa, naratra mafy ny lehilahy. Ity manamboninahitra zandary atahoran’ireo dahalo any amin’iny tapany Atsimo iny mihitsy mantsy no nitarika ireo zandary namany, niaraka tamin’ireo dahalo “niova fo”, raha ny vaovao hatrany, nandeha nanenjika ireo malaso ireo. Toa efa nandrasan’ireto farany kendry tohina teo amin’ity toerana ity anefa izy ireo, ka izay no nahavoa ny Kapiteny Faneva. Noho ny halalin’ny ratra sy fahabetsahan’ny rà very, dia atahorana mafy ny ainy, raha ny loharanom-baovao azo ka voatery nalefa haingana amin’ny helikôptera aty an-drenivohitra noho izany. Tsiahivina fa mpitarika mahery fo ity zandary iray ity, ary nanana ny lazany mihitsy tany Atsimo tany, tamin’ny fampandrian-tany nataony. Nambara mantsy fa natao biby fampitahorana ireo ankizy kely izy ary isan’ny atahoran’ireo dahalo ihany koa. Teo aminy ihany koa no nametrahan’ireo dahalo aman’arivo maro ny fiadiany, volana vitsivitsy lasa izay. Na dia eo aza ny raharam-pirenena mihazakazaka izay tsy izy aty an-drenivohitra, manao ny ataony ary mandady ihany koa ny trambo any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, amin’ity asan-dahalo miverina indray ity.
m.L