- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboasary : Enin-dahy nanafika magazay

Amboasary : Enin-dahy nanafika magazay

Toeram-pivarotana bisikleta sy kojakoja mahakasika izay no lasibatry ny fanafihana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay fotoana izay ny « pieces » maromaro tao amin’io tranombarotra. Tsy niandry ela moa fa adim-pamantaranandro vitsy taty aoriana dia voasambotra ny jiolahy miisa enina, isan’ireo nandray anjara tamin’izany fanafihana izany. Tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any no nanaovan-dry zalahy ny « opération », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Tranombarotra iray tao Tanambe, kaominina ambonivohitra Amboasary Atsimo ity lasibatr’izy ireo ity. Araka ny fantatra dia nirongo fitaovam-piadiana maromaro izy ireo tamin’ny fanafihana, toy ny zava-maranitra sy ny basy vita gasy. Ankevitry ny tsy nisy nanankatsakana angamba ny asa ratsin’izy ireo satria afaka nibata sy nitondra ireo kojakoja marobe tao amin’io tranombarotra io izy ireo, ary nitsoaka toy tsy teo rehefa nahazo sy nahabata izay zakany. Olona tsy lavitra ity toerana ity no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ireto olon-dratsy ireto ka nampandre avy hatrany ny pôlisy. Tsy nanisy hatak’andro moa ireto farany fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana ireo mpanafika. « Tany amin’ny Fokontany Bevala Galois no voasambotra ny lehilahy miisa 05 raha tafatsoaka kosa ny lehilahy iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao ireto farany nanaovana fanadihadiana ka nanonona ny toerana mety ahitana ilay naman’izy ireo ka dia voasambotra tany amin’ny fokontany Ankamena ny naman’izy ireo iray » hoy ny vaovao. Eo am-panaovana ny fakàna am-bavany azy ireo moa ireo mpanao fanadihadiana amin’izao. Izy ireo, izay notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana mialohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana aorian’izay. « Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mahakasika ity fandrobana ity », hoy hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. 

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici