Ela nampihorohoroana ny mponina i « Dakosy ». Dahalo malaza sy raindahiny any amin’iny kaomina Amboasary sy Marotsipohy iny no voasambotry ny miaramilan’ny « Das ».
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena dia isan’ireo nampitondra faisana ireto kaominina maromaro ireto ity dahalo ity sy ny namany. Efa nifampitadiavana rahateo aza moa ity lehiben’ny jiolahy ity saingy tafaporitsaka foana. Ny fokonolona teo an-toerana ihany no nampandre avy hatrany ireo miaramila avy amin’ny « détachement autonome de sécurité » na ny DAS tany an-toerana fa niomana ny hampiaka-bady tany amin’ny tanana iray tany an-toerana ilay dahalo rain-dahiny. Nidina avy hatrany tany amin’io toerana voalaza io ireo miaramila ka tao anatin’ny lanonam-panambadiana mihitsy no nosamborina Ingahy Dakôsy. Na izany aza anefa dia mbola nikasa ny hilefa ihany Ingahirainy saingy nanampy tamin’ny fanenjehana sy ny fisamborana azy ireo fokonolona tao an-toerana. Tamin’ny fanadihadiana dia nanoro ireo mpiray tarika aminy ity lehiben’ny dahalo ity ary nisy anaran’olona efatra notononiny. Tsy niandry ela koa teo ny fisamborana ireto farany rehefa fantatra ny tanana misy azy ireo. Saingy ny roa ihany aloha hatreto no fantatra fa voasambotra raha tafatsoaka ireo roa ambiny. Raha ny vaovao voaray hatrany dia nisy basy poleta tra-tehaka tany amin’Ingahy Dakosy ary efa natolotra ny zandary, izay tompon’ny fanadihadiana moa izany. Marihana ihany koa fa « efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana tompon’andraikitra izy ireo ary mbola mitohy ny fikarohana an’ireo namany ambiny ».
m.L