Zazalahy kely iray, no nataon’ireo dahalo takalon’aina tamin’izany ho fampitahorana ireo fokonolona tsy hanara-dia azy ireo. Omby manodidina ny 124 tany ho any kosa no lasa. Niditra an-tsehatra ny miaramila !
Nitrangan’ny fanafihana maherivaika indray tany amin’iny distrikan’Amboasary Atsimo iny ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sakafia, kaominina Marotsiraky. Toy ny mahazatra dia am-polony any ho any ireo dahalo miravaka ody gasy tonga nanao amboletra tao amin’io tanàna io, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Poa-basy tsy nifandrenesana intsony no tao amin’ity tanàna kely ity tamin’io fotoana io. Izany dia nentina fotsiny hampitahorana ireo fokonolona tsy hanohitra na hanakana ny dian’izy ireo tao an-tanàna. Mazava ho azy fa nentin-tahotra ireo mponina ka tsy nisy sahy nivoaka hany ka nanaram-po sy nanao izay danin’ny kibony nandroaka ireo omby rehetra tao am-bala ireo malaso. Zaza lahy kely iray sendra nifanena tamin’izy ireo teny an-dalana no avy hatrany dia nentin’ireo olon-dratsy an-keriny. Fomba ratsy fanao efa hitan’ireo malaso, entina handresena lahatra ireo izay mafy loha eo an-tanàna tsy hanara-dia azy ireo. Izany hoe raha miana-kendry ireo fokonolona dia avy hatrany dia taperin’izy ireo ny ain’ity ankizy natao takalon’aina ity. Hany herin’ireo mponina dia niantso mpitandro filaminana. Niditra an-tsehatra nanomboka teo ireo miaramila avy ao amin’ny Zrps Alpha 1, izay vondron-tafika natao hampandry fahalemana ny eny ambanivohitra sokajiana ho faritra mena amin’ny asan-dahalo. « Noho ny fahaiza-manao nasehon’ireo miaramila, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Tafika, dia azo teny am-pelatanan’ny dahalo soa aman-tsara ilay zazalahy kely. Azo daholo ihany koa ireo omby nangalarin’izy ireo ». Fa talohan’izay aloha, iarahan’ny rehetra mahalala fa tsy maintsy nisy ny fifanandrinanana teo amin’ny roa tonta, satria tsy hamela mahazo fotsiny tsotra izao ny haza efa eny am-pelatanany ireo olon-dratsy. Rehefa niditra an-tsehatra tokoa mantsy ireo miaramila dia nisy ny fanarahan-dia ka tra-tehaka tsy lavitra loatra ny tanàna nanaovan’izy ireo fanafihana ireo dahalo, niaraka tamin’ireo omby an-jatony. Teo no nitrangan’ny fifandonana ka io nilavo lefona sy nanao tsoa-pe sy tari-dositra io ireo dahalo rehefa tsy naharesy tosika ireo mpitandro filaminana, namela ilay zazalahy sy ireo omby. Mbola nitohy hatramin’ny omaly moa ny fikarohana sy ny fanenjehana an’ireo dahalo ary heverina fa hisy vokany izany. Ilay ankizilahy kely kosa efa naverina teny anivon’ny fianakaviany. Toraka izay ihany koa ireo omby izay samy naverina tamin’ny tompony avokoa.
m.L