- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilSociétéAmboatany : Vohitra iray anatin’ny kibon’Imerina, ao andrefan’Ambohimanga ao

Amboatany : Vohitra iray anatin’ny kibon’Imerina, ao andrefan’Ambohimanga ao

Fahiny, nisy izany « bonze » avy any Azia  izany no nonina tao . Tsy voasoratra na koa tsy azo notononina  ny anarany  fa dia  “andrianan’Amboatany” na “Ingahirainy” no nahalalana azy. I  Marotia Norovelo , zanakandriana sakalava no nalainy ho vady ( misy milaza fa  fianakavian-dRasalimo vadin-dRadama I izy io). Isan’ireo mpiavy avy any ambadik’i Bongolava izy ireo, hamonjy vohitra toerana hanorenam-pangady. Noho ireo mpanaraka azy  tsara hofana  teo ambany  fifehezany dia mora ho azy ny niditra tao Amboatany  ka nandresy an’Andrianerinerina, andriana nonina tao.

Tamin’ny fotoana namorian’Andrianampoinimerina ny fanjakany no efa nanda ny hanafihana an’Amboatany  Andriamaheritsialaintany, rahalahin’Andrianampoinimerina, mpanolotsaina ninoan-teny tao an-dapa . Raha nandefa tafika teny Amboatany ihany  anefa Andrianampoinimerina  dia nifanehatra tamin’ny Sakalava nikasa hanafika an’Ambohimanga ireo . Vakitady niparitaka ny Sakalava rehefa  nenjehan’ny vatan-dehilahy avy tao Amboatany. Natsangan’Andrianampoinimerina ho isan’ny foko Tsimahafotsy  amin’Avaradrano  Amboatany ary nataony ho isan’ny mpisava vero niaro ny fanjakany amin’ny fiakaran’ny  mpananibohitra.

Niteraka lahy iray ny “Andrianan’Amboatany” sy Marotia Norovelo .  Naka vady ny zanak’Andriamaheritsialaintany  rahalahin’ Andrianampoinimerina izy io. Niteraka mianadahy ireo dia Ramarotoby sy Be Rafara izay nananontena mandrapahafatiny.

Nalevina teo ambany atsimon’ny vohitra Amboatany Ingahirainy fa taty aoriana dia nafindra teny  Iavoambony,avatr’Isahafa.

Liana amin’ny tantara ny taranaka ka hiaraka hitsidika ny vohitr’Amboatany .  Ireo avy amin-dRainimbelo, zana-dRamarotoby  zafikelin’Ingahirainy ( Ranorovelo, Rajaonarivelo Samuel, Ramanana Paul Toubiarive, Dr Toubisson, Ravelojaona Joseph) no hifamotoana eny amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova  ny sabotsy 29 marsa .

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser