- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmboatavo Itaosy : Jiolahy 2 nirongo basy PA, saika hanafika...

Amboatavo Itaosy : Jiolahy 2 nirongo basy PA, saika hanafika tsena

Omaly maraina teo, bandy roa no mody nividy entana tao amin’ity tsena kely iray ary tsy nisy nisaron-tava. Raha vao tafiditra ry zalahy, niresadresaka teo ka nahita fa ramatoa irery no tao an-tsena. Namoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy, sady nandrahona ilay vehivavy hamoaka ny vola tao an-tsena. Tamin’io fotoana io anefa, ora ao anatin’ny fivezivezen’ny olona miantsena ka be ny nahatsikaritra ny zava-niseho.

Tsy nisy sahy niditra an-tsehatra anefa ny manodidina fa ny hany nataon’ny sasany dia ny nihazakazaka nankeny amin’ny “commissariat de police” nampandre sy nitantara ny zava-nitranga. Ilay ramatoa koa tsy nanaiky mora foana ny hanome ny vola fa namely ireto jjiolahy. Minitra vitsy monja tao aorian’izay dia tonga teny an-toerana ny polisy, saingy efa tafaporitsaka ireto jiolahy izay nifanenjehana nanerana ny faritra Itaosy iny. Raha ny fanazavana nomen’ny polisy teny an-toerana hatrany, ny laharana an-tariby no tsara ifandraisana 034 05 517 16 rehefa misy ny trangan-javatra miseho. Raha antso an-tariby mantsy dia mety ho tratra teny an-toerana ireo jiolahy ireo, mandany fotoana lava ny fampilazana raha dia an-tongotra.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser