- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy Ampitatafika : Fatin-dehilahy teny an-tanimbary

Ambodiafontsy Ampitatafika : Fatin-dehilahy teny an-tanimbary

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo no hita faty teny an-tanimbary, teo amin’ny toerana antsoina hoe Voasary Ambodiafontsy, omaly maraina. Ny mponina teny an-toerana no nanaitra avy hatrany ny tompon’andraikitra ary nidinan’ireto farany teny an-toerana, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Efa tsy niakanjo ambony intsony ity lehilahy ity, saingy hita tsy lavitra teo ihany izany akanjony izany. Tsy nahitàna ratra ihany koa ny vatany saingy nahitàna kiaka teo amin’ny tongony, ny kihony ary ny rantsany. Nahitàna faritra mangana kosa teo amin’ny lamosiny. Raha ny filazan’ireo mpitsabo nanao ny fitsirihana dia « maty vokatry ny hatsiaka io lehilahy io rehetra tratran’ny orana teo ny alin’ny 03-04 septembre 2024 teo ». Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia roa andro talohan’io no nisy nahitàna ity lehilahy ity efa mamo. Marihana fa tsy fantatra ny mombamomba azy satria efa tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Ny razana moa, taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo dia efa naterina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici