- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy Ampitatafika : Mpitaigina môtô maty nifandona tamin’ny fiara

Ambodiafontsy Ampitatafika : Mpitaigina môtô maty nifandona tamin’ny fiara

Tena mampidi-doza tokoa ity lalana ity ka mila mitandrina ireo mpamily.

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona indray iny lalana Ambodiafontsy mihazo an’ny fenoarivo iny ny harivan’ny  alahady 4 desambra lasa teo. Ity lalana ity izay sady mahitsy no tsara ka mahatonga ny mpamily handeha mafy ka tsy tonga saina amin’ny loza mety hitranga amin’izy ireo. Isan’ny lasibatra amin’izany ireo mpitondra môtô toy izay nanjo ity lehilahy, vao 27 taona monja io alahady io tokony ho tamin’ny 7ora hariva. Avy aty Antananarrivo ity môtô ity ka hihazo an’I Fenoarivo no nitranga ny loza raha nanararaotra nisongona fiara iray teo anoloany tamin’iny lala-mahitsy iny no nifatratra tamin’ny fiara iray nifanena taminy. Nohon’ny hamafin’ny fifandonana dia naratra mafy ilay mpitondra môtô ary potika tanteraka ilay kodoaran-droa. Nahitana fahasimbana ihany koa ilay fiara. Raha vao nandre izany ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” Faliarivo dia nidina teny an-toerana avy hatrany. Tamin’ny fahatongavan’izy ireo teny anefa dia efa nentin’ireo olona namonjy teny amin’ny hôpitaly Ampefiloha ilay maratra. Indrisy anefa fa namoy ny ainy noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ity farany adiny roa tao aoriana. Mbola hita teo an-toerana kosa ilay fiara nandona ka avy hatrany dia notanan’ny zandary ka nentina nihazo ny tobin’ny zandary niaraka tamin’ny mpamily azy. Ity farany izay notanana natao andri-maso ao amin’ny zandary. Marihina fa nanorana tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Noho io antony io angamba no nahatonga ity mpitondra môtô ity handeha mafy sy niezaka nisongona ilay fiara teo anoloany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici