Ny alin’ny alatsinainy 6 aprily, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny faritra Ambodiafontsy. Fiara 4X4 iray no lasa tany anaty rano teny Malaza. Araka ny hita amin’ny sary, potika tanteraka ilay izy rehefa nampakarina teny an-tanety. Tsy nisy nahita ny fandehan’ny loza. Na ireo mpitandro filaminana eny an-toerana aza tsy nahafantatra ny zavatra niseho raha tsy efa maraina. Efa tena alina be tamin’ny fotoana ary mahalana ny fifamoivoizana no nisy an’ity loza ity. Ireo niharan’ny loza koa tsy nisy nanatona ny zandary tamin’io alina io, hoy ny vaovao voaray tany amin-dry zareo. Tonga nijery ny zava-nisy izy ireo rehefa maraina ny andro. Efa tafakatra teny amin’ny làlana ilay fiara.
Nangonin’i r.s.