Nikoropaka ny fokonolona teo Ambodiafontsy, Ampitafika, omaly antoandro. Ramatoa iray, niaraka tamin’ny zanany, mbola trotroina no niara-nitsoraka tao amin’ny reniranon’i Sisaony. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny anton’ity famoizam-po tanteraka ity. Araka ny vaovao voaray hatrany dia nifanampian’ny fokonolona teny an-toerana ireo mpianaka kely ireto, saingy indrisy fa tsy nahatana ny ainy intsony ilay renim-pianakaviana. Ilay lahikely zanany kosa, izay manodidina ny 2 taona teo ho eo dia mbola nisy aina, araka ny filazan’ireo nanatri-maso, ka nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana taty Antananarivo. Tsy naharitra ela ihany koa anefa fa, namoy ny ainy, nanaraka an-dreniny ilay zazalahikely, nony tonga kelikely tao amin’ny efitrano famelomanaina tao amin’ny HJRA. Efa nampodina nomena ny fianakaviany teny an-toerana moa ny razana, araka ny loharanom-baovao hatrany. Fantatra fa mponina eny amin’ny faritra manodidina eny ihany ity renim-pianakaviana, nanapakevitra ny hanapitra ny androny niaraka tamin’ny zanany kely ity.
m.L