- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy : “Sprinter” nivadika, olona telo namoy ny ainy

Ambodiafontsy : “Sprinter” nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nandriaka ny rà teny Ambodiafontsy, Ampitatafika, omaly alina. Aina telo indray no nafoy tamin’izany, araka ny fantatra. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no niseho ny loza, tamin’iny lalam-pirenana voalohany iny. Taxi-brousse “sprinter” nofaina fikambanam-behivavy avy tao amin’ny fiangonana iray etsy Anosibe ity namoa-doza ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa avy namonjy fivoriana tany Morarano Tsiroanomandidy ireto fikambanam-behivavy ireto. Tokony ho efa tamin’ny iray ora antoandro izy ireo no niala tany an-toerana, kanefa tsy tonga tany ilay fiara raha tsy tamin’ny telo. Araka izany dia nandeha faran’izay mafy ity fiara ity, niakatra ny hitodi-doha aty Andrenivohitra. Toy ny isan’alahady anefa, dia marobe ireo mindrana an’iny lalam-pirenena voalohany iny, indrindra ny fisian’ireo môtô. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Ny filazan’ireo nanatri-maso dia hoe nikivilavila be ilay fiara, nidona tany amin’ny andrin-tany, nivadika, ary namarana ny lalany tany an-tanimbary. Hatramin’ny ora nanoratanay, dia telo tamin’ireo mpandeha no namoy ny ainy avy hatrany, niampatrampatra teny amin’ny arabe. Maro dia maro amin’ireo tao anaty fiara kosa no naratra mafy, ary mbola misy ny miady amin’ny fahafatesana raha ny vaovao voaray hatrany. Anisan’izany ny mpamilin’ity fiara niharan-doza ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici