Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona no niseho tamin’ny lalana eo anelanelan’i Toamasina sy Foulpointe, ny alin’ny sabotsy lasa teo tamin’ny 11 ora sy sasany. Na ny marina kokoa teo amin’ny tanàna Ambodiantafana. Fiara 4X4 iray voalaza fa nandeha mafy no tsy voafehin’ny mpamily raha niditra fiolahana. Vokany, avy hatrany dia nandona vody coco roa ilay izy ary niafara tany amina tranon’olona teo amoron-dalana. Samy potika moa na ny coco, na ny trano ary ilay fiara tsy matahodalana. Tena tsy nisy noraisina mihitsy fa simba tanteraka. Maty ny mpandeha iray, vehivavy, ary naratra mafy ny iray. Efa vita tsara moa amin’izao fotoana izao iny lalana iny ka mahatonga ny mpamily sasany handeha mafy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa teratany karana ireo mpandeha tao anatin’ny fiara. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana any an-toerana.
r.s.