- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiazinina Fenerivo Atsinanana : Mpirahalahy am-panambadiana nifanafika

Ambodiazinina Fenerivo Atsinanana : Mpirahalahy am-panambadiana nifanafika

Raha mbola tsy milamina ilay raharaha fitsaram-bahoaka nahazo ireo polisy telo lahy maty tao Ambodihazinina Fenerivo Atsinanana, dia nitrangana fanafihana nitam-piadiana indray tao amin’ity fokontany ao anatin’ny kaominina Ambatoharanana; izay fantan-daza amin’ny fivarotana sy fambolena lavanila sy ireo voly fanondrana hafa ihany koa.

Ny alin’ny talata 05 mey nifoha ny alarobia 06 mey teo, dia nisy nanafika i Mahefa Constant  mpandraharaha ara-toekarena momba ny voly fanondrana. Voalazan’ny vaovao fa olona 07 nirongo basy vahiny sy basy vita gasy no nanafika azy tamin’izany, ka voaroba tamin’izany ny vola mitentina 99.000.000 ariary sy ny zanak’ilay mpandraharaha vavikely 08 taona nalain’ireo jiolahy an-keriny, saingy navotsotr’izy ireo ihany teny an-dàlam-pandosirana avy any Ambodihazinina Ambatoharanana Fenerivo Atsinanana. Taorian’ny antso vonjy nataon’ilay mpandraharaha izay fantan-daza an-tànana, dia niray hina nanaraka ireto andian-jiolahy mpanafika ireto ny fokonolona, ny alin’ny 05 mey io, ka iray tamin’ireo mpanafika sy naka an-keriny zazavavikely 08 taona no tratran’ireo mpanara-dia. Voalaza moa, fa ati-dohan’ny fanafihana ity tratran’ny fokonolona ity; izay efa natolotra ny mpitandro ny filaminana. Tsy iza ity jiolahy tratran’ny fokonolona ity, fa mpirahalahy am-panambadiana 63 taona amin’ilay mpandraharaha notafihana tao Ambodihazinina ihany sy efa ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Ambatoharanana ny taona 1996 ary efa lehiben’ny ZAP tany an-toerana ihany koa, saingy efa misotro ronono amin’izao. Tratra ny 06 mey kosa ilay ramatoa niara-niketrika tamin’izy ireo izao fanafihana izao.

Ankoatra izay rehetra izay, dia fantatra izao araka ny filazan’ilay rangahy 63 taona tratra ity fa tao Fenerivo Atsinanana ny 05 mey no niketrika ny fanafihana izy ireo, satria araka ity rangahy  mpirahalahy am-panambadiana amin’ity mpandraharaha ity, fa haka vola be hividianam-bokatra ilay mpandraharaha. Avy eto Toamasina no nakana ireo jiolahy mpikaraman’ady ireo; izay mbola tadiavina izy 5 lahy sy basiny amin’izao fotoana izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici