Efa mampiteny ny moana mihitsy ny fanafihana mitam-piadiana amin’izao fotoana izao, tsy tanan-dehibe tsy ambanivohitra dia samy tratra avokoa anaovan’ireo andian-jiolahy azy, nefa ny mpitandro filaminana tsy maharaka mikasika izany. Tokony ho tamin’ny misasaka alina mahery 30min teo ho eo, ny alin’ny sabotsy teo, dia nitrangan’ny fanafihana mitam-basy tao amin’ny tanana iray tao “basin”-drano, ao amin’ny kaominina Toamasina suburbaine iny. Fivarotana iray tao an-tanana no lasibatra, satria noraofin’ireto andian-jiolahy avokoa ny zavatra rehetra sarobidy sy ny vola rehetra tao an-trano nandritra izany. Tsy nandratra na namono olona kosa ireto andian-jiolahy tao anatin’izany ary tsy fantatra marina ny sandan’ny zavatra lasan’ireto jiolahy nandritra izany. Nilaza fotsiny ireo andian-jiolahy raha nandeha fa afaka manaraka anay izay te-ho faty sy hitondra takaitra, ary lasa nitsoaka tsy amin’ny ahiahy ireto andian-jiolahy no sady nanapoaka basy indray mandeha. Nahita izany sy naheno izany ireo vahoaka tao an-tanana sy ilay trano voatafika ka tsy nisy sahy nanaraka, fa nijery fotsiny sy nanakatona varavarana. Araka ny fitarainan’ny vahoaka tany an-toerana dia saika isan-kerinandro ny fanafahana tahaka izao any an-toerana sy ireo kaominina manodidina. Isan’izany ny ao amin’ny Tanana Vohitsoa – Antananimarina – … Ambodibinara. Vokatr’izany manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra amin’ny filaminana ireo vahoaka any amin’ireo tanana ireo ny mba hisian’ny fisafoana isaky ny alina atao, mba hampihena ireo asan-jiolahy izay lasa toa sahy loatra amin’izao.
Malala Didier


