- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodifasina - Tokantrano voatafika : vehivavy iray voatsindrona antsy

Ambodifasina – Tokantrano voatafika : vehivavy iray voatsindrona antsy

Trano nikorontana sy nihosin-drà no novantanin’ireo mpitandro filaminana.

Naratra mafy. Dian’antsy maromaro no niantefa teny amin’ity ramatoa tompon-trano ity, nandritra ny fanafihana ny tokantranony, ny andro harivan’ny zoma lasa teo. Soa ihany fa nalaky voavonjy avy hatrany ity farany ary mbola manaraka fitsaboana. Tsy mbola voafaritra kosa ny entana sy ny vola lasan’ilay olon-dratsy.

Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any no nahazo fampandrenesana ny zandary tao Ambatolampy Tsimahafotsy, mahakasika ity fanafihana nitranga tao Avarakady Ambodifasina ity, tamin’io andron’ny zoma io. Nidina avy hatrany teny ireo zandary saingy nadio efa ela ny rano nitàn’ireo mpanafika. Trano mikorontana, rà mandriaka eran’ny trano sisa no hitan’izy ireo. Voalaza moa teo fa efa nentin’ireo fokonolona namonjy toeram-pitsaboana haingana ilay lasibatra.

Raha ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo, dia tamim-pitaka tanteraka no nidiran’ny olon-dratsy tao amin’ity tonkatrano ity. Araka ny fitantaran’ilay niharam-boina tamin’ny zandary mantsy dia efa narahin’io lehilahy io mandeha bisikleta io izy, talohan’izay. Ny andro moa mbola mazava ihany ka tsy niahiahy na inona na inona. Rehefa tafiditra tao an-trano izy dia nandondona teo am-bavaravarana ilay lehilahy nanaraka azy ary nilaza fa misy zavatra hifampiresahany amin’ity ramatoa ity. Nampandrosoin’ity farany toy ny vahiny rehetra, kanjo vao tafidtra izy, dia dia namoaka antsy sy nandroahana azy hamoaka ny vola rehetra avy hatrany. Niezaka namaly ilay renim-pianakaviana, hoy ny vaovao, saingy tsy nahatohitra intsony rehefa niletra teny aminy ny antsy, nandratra ny faritra maromaro tamin’ny vatany.  Rehefa tsy nahetsika intsony dia nanararaotra nanao izay danin’ny kibony nisava ny trano ilay mpanafika, nitondra izay zakany ary nitsoaka toy ny tsy teo. Ny zanany avy nilalao no voalaza fa nahita ny reniny nihosin-drà, niantso vonjy tamin’ny manodidina.

Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny zandary teny an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza, raha ny vaovao azo.

m.L 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici