- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodifilao : Magazay lehibe voaroba entana mitentina 45 tapitrisa ariary

Ambodifilao : Magazay lehibe voaroba entana mitentina 45 tapitrisa ariary

Lesoka kely tamin’ny famantsihana tafo no nidiran’ireo olon-dratsy, nanararaotany nangalana entana mitentina 45 tapitrisa ariary, tao amin’ny magazay lehibe iray, mpivarotra kojakoja momba ny fanatajahan-tena tetsy Ambodifilao. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia efa intelo nisy namaky ity trano fivarotana ity. Tsy nisy varavarana vaky anefa ary mifono mistery tanteraka ny nahafahan’ireo olon-dratsy niditra tao. Rehefa nisahana ity raharaha ity ny mpitandro filaminana dia nahazo vaovao mikasika ny fisian’ny tovolahy iray antsoina hoe Rakay, ahiana ho isan’ireo olon-dratsy namaky ilay tranom-barotra. Ny alakamisy teo no nidina teny Antohomadinika, teny amin’ny trano fonenany, ireo pôlisy. Ary dia tratra tao tokony gony lehibe miisa telo, feno kojakoja ara-panantanjahan-tena. Tamin’ny fanadihadiana azy, raha ny fampitam-baovao hatrany, no nilazany fa isan’ireo mpandray anjara izy, niaraka tamin’ireo namany efatra, ary izy tenany ihany avy eo no mitady izay ho mpividy ireto entana halatra. “Rehefa nofotorana Rakay dia nanonona an-dRamatoa Belle, Faniry, Lalao, Volatiana, Rivo ary i Haja izay mpiray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana ny asa famakiana an’io Mangazay io. Toy izao ny fomba ataon’izy ireo angalarana ny entana ao : I Lalao sy Volatiana no manome toromarika  azy ireo mialoha ny hakana ny entana. Miakatra avy ao ambony tafo izy efa-dahy, dia Rakay sy Faniry , Rivo ary Haja, ka eo amin’ilay Tôle miloko maitso izay efa fantatr’i Haja tsara ny momba azy io noho izy efa niasa tao, no akisaka kely fotsiny satria tsy dia mifantsika mafy loatra ka mora esorina ary dia miditra avy hatrany ao anaty Mangazay maka ireo entana angalarina, ary mbola eo ihany koa no mivoaka . Taterina any amin’ny Tranon-dRamatoa Belle izay eo akaiky eo ihany mba hafenina alohan’ny hamindrana azy any amin’ny toerana hafa  any Antohomadinika.  Isan-kerinandro no anaovan’izy ireo io asa ratsy io, ka isaky ny Zoma no akana ireo entana ireo”, hoy ny vaovao. Ny sabotsy teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana izy dimy ireto. Fantatra tamin’izany fa nalefa avy hatrany eny Antanimora ny telo, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa ambiny. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Ara-bakiteny mihitsy io oha-pitenenana io raha tamin’ity tranga indray mitoraka ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici