Amin’ny efatra ora tolakandro no miseho ny fanafihana. Toa efa narahin’ireo olon-dratsy mihitsy ity rangahy ity sy ny fiarakaretsaka (Renault 19) nampiasainy, raha ny fihevitra azy. Avy nanatitra vazaha teo amin’ny hotely lehibe iray etsy Antsahavola izy. Nahazo vola devizy euros, ankoatry ny saran-dàlana, satria nahafinaritra ireo teratany vahiny nateriny ny asany. Izany fankasitrahana izany anefa angamba dia hitan’ireo olon-dratsy koa ka antony izay nanarahany ny fiara. Nataon’ireo olon-dratsy izay nahatratrarana ilay fiara, mbola nisy fitohana rahateo tamin’io fotoana io. Rehefa tonga teo andohan’Analakely dia nosakanana ary mody nanao toa ireny mpandeha taxi tsotra ireny ireo jiolahy. Raikitra ny fifanarahana ary tsy nisy ady varotra firy. Tamin’iny mifanandrify amin’Ambodifilao iny no namoaka antsy amin’izay ny iray tamin’ireo mpanafika, ilay nipetraka tao aoriana. Ny faharoa kosa izay teo akaikin’ilay saofera dia nitango ny vola teny aminy fotsiny no nataony. Lasa ny vola euros izay vao azo, ankoatra izay vola malagasy, saran-dàlana izay maty hatramin’ny marain’andro. Omaly dia efa niparitaka teo amin’ny mpitondra taxi ny zava-nitranga tamin’ny naman’izy ireo. Izany mantsy dia entin’ny tsirairay mitandrina manoloana an’io fomba fiady vaovaon’ny jiolahy io indray. Raha ny alina teo aloha no tena nihoron-koditra ny mpamily fiarakaretsaka ary tsy mety mitondra olona maromaro intsony na koa làlana somary mivoaka an’andrenivohitra, izao koa izany dia efa misy manara-maso koa izay mitondra vazaha ary hatao lasibatra amin’ny fandrobana. Izany dia amin’ny andro mbola tsy maizina akory. Misy mpitsikilo fotsiny izany ny asany ao anatin’ny fikambanan-jiolahy ary tena mahavita manara-maso sy mampahafantatra ara-potoana ny namany amin’izay mety ho lasibatra mety amin’ny fandrobàna.
D.R