- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodifilao : Sarona avy amin’ny “vidéo-surveillance” ny mpangalatra môtô

Ambodifilao : Sarona avy amin’ny “vidéo-surveillance” ny mpangalatra môtô

Ny iray gadra izay navoaka ny fonja rehefa nolazaina fa tsara fitondran-tena ka afaka miasa ivelan’izany, irony antsoina hoe “main d’oeuvre pénale” na “MOP” irony. Ny faharoa indray dia olona mbola manana raharaham-pitsarana saingy navoaka ny fonja rehefa nahazo fahafahana vonjimaika. Izy roa lahy ireo, izay efa samy nigadra avokoa, etsy ambonin’izay, no nitambatra ka lasa andian-jiolahy mpangalatra môtô. Tamin’ity indray mitorakan ity dia pôlisy am-perinasa miasa ao amin’ny kaomisarian’Analakely no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra raha nipetraka teo anolona’ny toeram-pilokana (casino) iray teo Ambodifilao ny môtô nampiasainy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany izy tenany izay mpitandro ny filaminana. Tonga hatrany amin’ny fijerevana ny raki-tsarimihetsiky ny “camera de surveillance” izany. Io tokoa fa nipoitra teo ny sarin’ireo jiolahy roa teo am-panatontosana ny halatra. Nanao fanamiana mpilalao kitra malaza any ivelany izy ireo ary izay no notadidian’ilay pôlisy. Roa andro taorian’izay dia sendra hitan’io farany teny Analakely ny olona iray manao fanamiana mitovy amin’ilay hita tao anaty raki-tsary. Nosamboriny avy hatrany io ary nentina teny amin’ny biraon’ny pôlisy. Raha ny fanazavan’ny mpanao fanadihadiana dia nandà hatrany ilay olona antsoina hoe Pita. Raha tsy nampijerena azy ny raki-tsarimihetsika izay izy no mpilalao voalohany tao anatiny, izay izy vao niaiky fa isan’ny nandray anjara tamin’ny halatra. Notononiny tao ny anaran’ny mpiray tsikombakomba taminy dia i Gégé izany. Natao ny velam-pandrika rehetra ary raikitra ny fisamborana tetsy Ankadivato. Nampiasa basy ny pôlisy izay vao nijanona ny fiara nentin’I Gégé izay mbola saika hifaoka hanitsaka ireo nisambotra azy. Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia hita fa tany Ankadindramamy ny fanafenan’ireo jiolahy ny entana halatra. Nisy olona iray antsoina hoe Mimi, isan’ny voasambotra tao anatin’ity raharaha ity rehefa tafiaraka tamin’I Gégé nandritry ny fotoana nisamborana azy. Manana fiara ny jiolahy mpangalatra môtô ary manana trano fanafenana ny entana halatra, midika izany fa efa mipetrapetraka tsara avokoa ny fomba fiasan’izy ireo ary mampidi-bola ity karazana asa ratsy ity. Ankoatr’izay, toa tsy ahoan’ireo mihitsy izany hoe miditra am-ponja, asa efa fantany angamba fa tsy hijanona ela izany izy. Marobe ankehitriny ny zavatra tokony hodinihina mba tsy hanafoanana ny famerenan-keloka. Ny voalohany amin’izany dia ny fatahoran’ny olona ny fonja…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici