Namoa-doza indray “gaz” teny Ambofilao. Nijoalajoala ny afo avy tamina trano iray, ny sabotsy hariva lasa teo. Trano lehibe iray no zary kilalaon’ny afo tamin’io fotoana io. May tanteraka ny ambany rihana manontolo, niaraka tamin’ny rihana voalohany. Mitetim-bidy any amin’ny 30 tapitrisa ariary no ireo entana simba tamin’ity fahamaizana ity. Raha ny fantatra teny an-toerana, dia avotra soa aman-tsara avokoa ireo olona rehetra tao anatin’ity trano lehibe ity. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy araka izany. Araka ny angom-baovao hatrany, dia avy any ambany rihana no niandohan’ny afo. Avy tamina “gaz” sendra tsy voahidy, nampiasaina tamina fatana no nahatonga ny loza. Pitik’afo kely no nandrehitra izany, ary nahazo avy hatrany ny lambam-bavaravarana teo akaikin’ilay fatana. Nahazo vahana avy hatrany izany. Niray hina niezaka ny namono ny afo ireo teo amin’ny manodidina saingy tsy voafehy intsony izany rehefa nahazo ireo akora sy entana isan-karazany mora nirehitra. Ary na dia teo aza ny fahafainganan’ny mpamonjy voina, izay tsy lavitra teo, dia efa maro ireo entana sarobidy sy kojakoja eletrônika, levon’ny afo. Ora vitsy, ihany anefa dia efa voafehy tsy niitatra intsony izany. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo tompon’andraikitry ny filaminana nanao ny fiambenana ny amin’ny mety hisian’ny fihoaram-piefy nataon’ireo olona marobe teny an-toerana. Hatreto dia tsy fantatra mazava na natao fanahy iniana na vokatry ny tandrevaka no nahatonga ity fantsona “gaz” tsy voahidy ity. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana.
m.L