Niheren-doza ity lehilahy ity ! lehilahy iray teny amin’ny kariera Ambodihady, omaly maraina. Toerana avo dia avo izay famakiam-bato ao amin’io kariera io no nianjerany ka nampikorisa azy tamin’ny haram-bato am-polony metatra. Soa fa nisy ireo fako be izay nisavovona nananty azy tety ambany ka nanavotra ny ainy na dia nahitana ratra ihany aza ny lohany. Manoloana ity seho ity dia tsy vitsy ireo nanatri-maso fa mety ho nikasa hamono tena ity olona ity, saingy tsy fantatra izay tena anton’izany famoizam-po izany. Tetsy ankilany kosa anefa, ny fianakaviany dia nilaza fa fianjerana tsotra ihany no nahazo azy. Mety ho nibolisatra fotsiny izy satria voalaza fa olona mpisotrosotro zava-mahamamo ity ranamana ity, izay fantatra fa mponina eny amin’ny manodidina ihany. Efa nalain’ny fianakaviany moa izy. Nilaza ny havany fa tsy maintsy hitondra azy eny amin’ny toeram-pitsaboana.
T.M.