- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodihady : Mpangalatra môtô rain-dahiny voasambotry ny pôlisy

Ambodihady : Mpangalatra môtô rain-dahiny voasambotry ny pôlisy

Ny sabotsy lasa teo, mpangalatra môtô rain-dahiny iray indray no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahenina, teny Ambodihady Ambohimanarin. Mbola teo am-panosehana ilay môtô halatra mihitsy moa ranamana tamin’io fotoana io, niaraka tamin’ny namany iray, izay tafaporitsaka. Ny mponina teny an-toerana no nampandre avy hatrany ireo pôlisy, ny amin’ny fisiana roalahy mampiahiahy manosika môtô, scooter Jog 90. Tsy naharitra mihitsy aza ny sasany tamin’ireo fokonolona izay nahita azy roalahy ireto, fa avy hatrany dia nitangorona tamin’izy ireo. Efa niakatrakatra ny hatezeran’ireo mponina no tonga ireo pôlisy. Vantany vao nahita ireto mpitandro filaminana anefa izy roalahy no niezaka nitsoaka. Tsy afa-bela tamin’ireo mponina sy ny pôlisy ny iraika lahy, raha tafatsoaka ihany ilay namany. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa rain-dahiny amin’ny fangalarana môtô ity voasambotra ity. Tany aminy rahateo mbola nahitana karazana lakile maromaro ana môtô. Ao anatin’ny fikarohana ity namany tafatsoaka ity moa ireto mpitandro filaminana misahana iny faritra iny amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici