- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodimadiro-Maevatanàna : Andian-jiolahy nanao sakan-dalana sy namaky tranom-pivarotana

Ambodimadiro-Maevatanàna : Andian-jiolahy nanao sakan-dalana sy namaky tranom-pivarotana

Efa manomboka miakatra an-tanàna ny voay, araka ny ilay fiteny an-kehitriny manoloana ny tsy fisiana fisalasalana sy fatahorana amin’ny fanatanteran’ireo malaso ny asa-ratsiny eto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, nefa misy Zandary sy Polisy miasa. Ny talata 12 Desambra lasa teo, no nahitana andian-jiolahy miisa valolahy nironga antsy lava lela sy basy no nanao sakan-dalana ary namaky trano tao amin’ny fokontany ambodimadiro ato antin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanàna, tamin’ny roa latsaka fahefany maraina teo no nisehoan’izany. Marihana fa nisy olona roalahy handeha hody any an-tranony no voasakana, ka lasa tamin’izany ny finday tao ampaosin’izy ireo. Tsy nisy naratra sy aina nafoy kosa tamin’izy roalahy nandritra ny sakana nataony malaso. Ny tao amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity kosa dia nahitana fivakiana nataon’ireo jiolahy ireo, no nisy entana lasa, fa saingy tsy tafiditra tanteraka tao ry zalahy, fa izay takatrin’ny tanany no nalainy sy nosotrony. Rehefa vita ny ireo andian-jiolahy ny nataony dia lasa nitsoaka, ary tonga moramora nanao ny fijerena ny zava-niseho ny mpitandro filaminana no nanao ny fanarahan-dia, saingy tsy nisy vokany izany, satria efa lasa lavitra ny malaso. Nanamafy sy nilaza ny tao am-pony ny olona teny manodinana, fa maro hoy izy ireo ny vahiny miôdiôdy tsy fantapihaviana sy tsy misoram-pokontany eny an-toerana, fa indrindra hoan’ny Maevatanàna an-tapon-tanàna, ka tokony asiana fanaraha-maso izany hoy ihany ny mponina eny Ambodimadiro.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici