Notafihan’ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadianana ny lehilahy iray, ka namoy ny ainy rehefa voatifitra. Tao amin’ny fokontany Ambodimadiro,kaominina Maevatanana voalohany, no nitrangan’ny fanafihana, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana, fitolahy nitondra basim-borona no nanafika tao an-tranon’ilay rangahy. Nandritra ny fanafihana dia notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny basy avy hatrany, ary maty tsy tra-drano, voatifitra basy teo amin’ny fony. Lasan’ireo jiolahy ny vola sy ny finday. Nidina tany an-toerana ny Zandary sy ny dokotera nanao fizahana. Ny borigadin’ny Zandary avy eto Maevatanana no misahana ny famotorana. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy.
Fa etsy andanin’izay, eo anatrehan’ity resaka tsy fandriampahalemana manjaka any an-toerana dia tapaka tamin’ny fivorian’ny OMC, izay ahitàna ireo tompon’andraiki-panjakana na tompon’andraikitry ny filaminana, tany an-toerana fa hapetraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Indrindra fa ao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Efa nihatra nanomboka ny alakamisy teo ity tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na « couvre-feu » ity, izay manomboka amin’ny sivy ora alina ka hatramin’ny efatra ora maraina. Tsy ao anatin’ireo kosa ireo izay tratry ny tsy fahasalamana sy ireo fiara mpitatitra izay mifamezivezy amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny, araka ny fampitam-baovao azo.
Ratantely