Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray ny teto amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, tao amin’ny fokontan’Ambodimadiro, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ny Atalata 25 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina.Tokantrano iray no lasibatra ny asa ratsy tamin’io fotoana io. Ka ankoatra ny omby miisa enina lasan-dry Zalahy, dia naratra voatifitra teo amin’ny feny ihany koa ny topon-trano, izay fantatry ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe « Coco ». Jiolahy maromaro tsy voafaritra isa tsy misy nanao saron-tava ary nitondra basim-borina sy zava-maranitra no tonga nanao ny asa ratsy teny amin’ny fokontan’Ambodimadiro tamin’io fotoana io. Nanao izay fomba nahafana niditra tao an-trano sy ny tao am-bala ireo olon-dratsy vantany vao tonga. Tsy nisy nahita ny fidiran’izy ireo, fa ny feom-basy nanakohako eran’y tanàna no nataitra ny maro. Taitra ny tompon-trano raha naheno ny fidirana tampoka tao an-trano, ka teo no nahavoatifitr’azy teo amin’ny feny no sady voahambana basy mba tsy hiantso vonjy. Tampoka tamin’izy ireo ny zava niseho ka tsy afaka niaro tena ireto farany. Izao nahazoan-dry zalahy omby izao. Lasa nandositra niaraka tamin’ilay omby ireo jiolahy taorian’ny fanafihana nataony. Efa nampandrenesina kosa ny Zandary sy polisy teto an-toerana ka tonga nanao ny fizahana ifotony tany amin’ny toerana voatafika. Ilay « lehilahy » voatafitra kosa efa noentina notsaboina eny amin’ny hopitaly be eto Maevatanàna. Mitohy hatrany kosa ny famotorana ataony Zandary.
Ratantely


