Na dia tsy ampy amam-bolana maro aza ny nanendrena an’Atoa Commissaire de Police RAMBELOMANANA Girmond, ho Talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Betsiboka dia tsy nitazam-potsiny sy nanafana seza ao amin’ny biraom-piasany ny tenany fa nidina ifotony, tao amin’ny fokontan’Ambodimanary, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra niaraka tamin’ny lehiben’ny CSP Maevatanàna ny Alarobia faha 21 Janoary taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny sivy ora maraina tany ho any, izay nametraka ny hetsika » MAHOMBY, » amin’ny alalan’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra mba hafahan’ireo mpiara-belona miasa ao anaty fitoniana.Tamin’izao fidinana ifotony izao moa dia nitafa mivantana tamin’ireo mponina any an-toerana, Atoa Talem-paritry ny filaminam-bahoaka no nitondra teny fanentanana azy ireo handray anjara bebe kokoa amin’ny fiarovana ny fokontany, indrindra ny fampandehanana sy fanamafisana indray ny andrimasom-pokon’olona. Tamin’izay ihany koa dia nisy ny fanomezana torimarika manokana an’Atoa filoham-pokontany, momba ny fanavaozana sy fandaminana ny fanatanterahan’ireo vatan-dehilahy ny resaka andrimasom-pokon’olona.Taorin’izao fihaonana mivantana natao izao dia nijery ny fomba fiasan’ireo polisy miasa any amin’iny faritra iny ny tompon’andraikitry ny filaminana voalaza etsy ambony, amin’ny fanamafisana ireo torimarika mba hanatsarana ny kalitaon’ny asa, ka anisan’ny laharam-pahamena amin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny polisim-pirenena sy ny vahoaka. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nankasitrahan’ireo mponina tany an-toerana, ity fisidihana ity no maniry hatrany, izy ireo mba hitoizan’izany matetika. *
Ratantely


