- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodimanary- Maevatanàna : Nandositra ireo jiolahy nandritra ny fifanjevona, omby 57 tafaverin’ny polisy...

Ambodimanary- Maevatanàna : Nandositra ireo jiolahy nandritra ny fifanjevona, omby 57 tafaverin’ny polisy amin’ny tompony.

Nahitana halatr’omby miisa 57 tao amin’ny fokontan’Ambodimanary, kaominina Maevatanàna ambonivohitra, ny alin’ny Zoma faha 28 Jona taona 2024 teo. Jiolahy maromaro tsy voafaritr’isa no tonga nanatanteraka ny fanafihana sy ny halatr’omby tamin’io andro io, ary omby miisa 57 tao anatin’ny valan’omby teo amin’ny tanàna voalaza etsy ambony no nalain’izy ireo nandritra izany. Rehefa azon’ireo malaso ny omby halatra, dia niroso tamin’ny fitondrana ny omby nalaky izy ireo no nianan-drefana ny tanàna’Ambodimanary ny dian’ireto farany. Ny androtr’io ihany no niroso tamin’ny fanarahan-dia ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna, ka tany amin’ny toerana atao hoe : Tsinjorano, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa  no nifankatratra ny roa-tanta no raikitra ny fifandonana. Tamin’izay indrindra no tsy nahatohitra ny polisy ireo dahalo no vaky nandositra, sady navelan’izy ireo teo ny omby nangalariny. Nomena ny tompony tao amin’ny fokontan’Ambodimanary, ireo omby 57 tafaverin’ny polisy. Mitohy hatrany kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy rehetra ataon’ny polisy.

 Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici