Tsy misy afa-tsy olona dimy izy ireo, tsy misy fitaovam-pitaterana, kanefa saika vitan-dry zalahy ireto ny nibata ireo karazan’entana maro tao anatin’ity trano fitehirizan’entana ana sinoa iray teny amin’iny faritra Ambodimanga Besarety iny. Tao amin’ity magazay, izay mpamongady amin’ny resaka lamba, dia fantatra fa am-polony maro ireo “balle”-na bodofotsy nanjavona, lasan’ireto olon-dratsy. Ny alin’ny alahady, hifoha alatsinainy lasa teo no nitranga ity fandrobana ity teny an-toerana. Nanodidina ny tamin’ny 10 ora alina teo no efa nahatsikaritra zavatra hafahafa ireo manodidina, rehefa nahita olona nifamezivezy nivesatra gony lehibe dia lehibe. Nampandrenesina avy hatrany ireo pôlisy avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, izay tonga teny an-toerana. Nifanjevo avy hatrany ny raharaha, satria dia nirefotra in-telo ny basy teny an-toerana tamin’io fotoana io. Voatery niantso mpanampy ireo pôlisy. Olona dimy no hita nirifatra nitsoaka raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Nisy ny fanenjehana sy sahavao. Voasambotra tamin’izany ny telolahy tamin’ireto olona nitsoaka, tafaporitsaka kosa ny ankiroa. Tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny gony lehibe “balle”-na bodofotsy dimy. Fantatra ihany koa araka ny nolazain’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity kaomisaria ity, fa olon-tsotra nanao tifitra fampitandremana ho an’ireo olon-dratsy ilay poa-basy nampisahotaka ny rehetra teny an-toerana. Ny tohin’ny fanadihadiana taty aoriana no mbola nahasamborana mpivady iray, mpandray ireo entana halatra. Mbola nahatrarana gony lehibe enina ihany koa tao amin’ny tokantranon’izy ireo. Raha atotaly dia enina no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Mbola misy anefa ireo olona karohina. Olon-dratsy rain-dahiny mihitsy ry zalahy tratra ireto. Rehefa tsy mandroba tranon’olona mantsy, dia manendaka eny amin’iny faritra iny indray. Marihana fa, efa im-polo vaky izay ity trano fitehirizan’entana ity, raha ny fantatra hatrany.
m.L