- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimanga-Betsiboka : Fifamaliana tao anaty "Bar.", lehilahy iray maty voatsindron’antsy

Ambodimanga-Betsiboka : Fifamaliana tao anaty « Bar. », lehilahy iray maty voatsindron’antsy

Namoy ny ainy ny lehilahy iray tany amin’ny fokontanin’Ambodimanga-Betsiboka, ato antin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, ny Alatsinainy lasa teo. Iny nisotrosotro tao anaty « Bar » tao izy roa lahy ireto; izay efa somary mamomamo avy no nisy hevitra tsy nitovy, ka raikitra teo ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta, nony voatsindrona antsy tampoka, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo ny  namany. Vokany: maty tsy tra-drano ilay lehilahy, ka lasa nitsoaka nandositra kosa ity nahavanon-doza rehefa hitana fa nitsirara sy nihosin-drà ny namany. Taitra ny olona teo amin’ny manodidina raha nahita ny  zava-niseho, ary raikitra ny fanenjehana ny nahavanon-doza, ka efa lasa lavitra vao tratran’ireo olona eo amin’ny manodidina izy, efa natolotra ny Zandary any an-toerana. Nezahina nentina namonjy hopitaly teto Maevatanàna kosa ilay lehilahy, saingy  tsy tana intsony ny ainy. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny tompon’andraikitra any an-toerana raha vao nahazo antso . Raha ny fantatra, dia efa mandeha sahady ny marimaritra iraisana ataon’ny fianakaviany nanindron’antsy amin’ireo olona manana ny maty. Manao fivoriana matetika ny fianakavian’ny an-daniny sy an-kilany handaminana ny raharaha. Eo ihany koa ny tsy faneken’ireo fianakavian’ny maty ny fandaminana. Etsy an-kilany efa mandeha ny famotorana ataon’ny Zandary ao amin’ny biraon’ny borigady eto Maevatanàna ary natolotra ny fampanoavana omaly maraina ka efa nidoboka any am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana, hoy hatrany fampitam-baovao voarainay.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici