- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodimita : Dimy lahy nanafika « épicerie », olona iray voatifitra

Ambodimita : Dimy lahy nanafika « épicerie », olona iray voatifitra

Niredrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Ambodimita iny, ny sabotsy hariva lasa teo. Dimy  lahy nitondra kalach sy PA no tonga nandroba mpivarotra enta-madinika iray teny an-toerana. Vokany, vola mitentina iray tapitrisa ariary miampy fahana mitentina eo amin’ny telo hetsy mahery teo no lasan’ireo olon-dratsy. Ambonin’izay, olona iray sendra nandalo teny amin’iny lalana iny, no niantefan’ny balan’ireo jiolahy.

Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no niseho ity fandrobana ity. Efa maizina tanteraka ny andro tamin’io fotoana io, noho ny rotsak’orana. Efa nanomboka nanakantokatona ny fivarotany avy ny rehetra, saingy ity fivarotana enta-madinika iray ity no mbola nisokatra. Niditra avy any izy dimy lahy ireto toy ny olona hividy zavatra, araka ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana. Tamin’izany fotoana izany anefa no nasehoan’izy ireo ny maha-jiolahy azy. Basy marovava avy hatrany no nentin’izy ireo nandrahonana sy nampitahorana ny tompon-trano. Noho ny tahotra dia namoaka ny vola rehetra, izay matiny nandritra ny andro ny tompon’ny fivarotana. Nandritra ny fitsoahan’izy ireo taorian’ny fandrobana no nanapoahan’izy ireo basy, hampitahorana izay mety ho sahy hisakana ny dian’izy ireo. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa, no nisy raim-pianakaviana, tsy nanam-po n’inona n’inona, nifanena tamin’ireo olon-dratsy. Niantefa tany amin’iny rangahy 50 taona ity, ny potiky ny bala, izay nahazo ny tongony.

Nampandrenesina avy hatrany ny pôlisy ary tonga haingana teny an-toerana. Natao avy hatrany ny savahao teny an-toerana. Saingy tafaporitsaka sy nanjavona ireo jiolahy. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, ary efa fantampatatra ihany ireo olon-dratsy. Raha ny momba ilay naratra, dia fantatra fa efa nentina tany amin’ny tobim-pitsaboana izy io, ary efa tsy misy atahorana ny ainy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici