Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, teny Ambodimita, omaly. Kamiô lehibe roa no nifandona nifanatrika. Vokany olona telo no naratra mafy, anisan’izany ny mpamilin’ilay fiarabe iray. Nijininika indray ny rà teny amin’iny faritra Ambodimita iny, omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany tany ho any. Fiarabe roa, ny iray avy any Ivato hiakatra aty Antananarivo, ny iray kosa handeha ho any amin’iny tapany avaratra iny no nifandona. Mafy dia mafy ihany ny fifandonana, raha ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Potika tanteraka ny lohan’ilay « camion » somary kelikely iray. Voa mafy tamin’ity loza ity ny mpamilin’ity farany niaraka tamin’io olona roa tao anatiny. Tsy nisy naninona kosa, tetsy andanin’izay ireo tao amin’ilay kamiô be voadona. Voatery nopotehina ny varavarana ary nosokirina tao mihitsy aza ireo naratra, raha ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana hatrany. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity loza ity. Raha ny nambaran’ireo pôlisy izay tonga haingana teny an-toerana, dia somary nahenoana fofon-toaka ilay mpamily naratra ary nandeha mafy ihany. « Tamin’izany no nivoaka ny faritra tokony ho azy ka nifatratra tany amina kamiô be iray nifanatrika taminy » hoy hatrany ny fanazavana. Efa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra vokatr’ity loza ity. Tsy maintsy hisy kosa ny fanadihadiana rehefa azo atao izany ireo nanao ny fahadisoana, raha ny loharanom-baovao azo hatrany.
m.L