- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimita : Miakatra ny voay !

Ambodimita : Miakatra ny voay !

Nitangorona ny vahoaka. Tao ireo natahotra ihany, tao kosa ireo liana tanteraka fa tsy mbola nahita izany … voay izany angamba. Tsy etsy amin’ny valan-javaboaharin’i Tsimbazaza akory ny resaka eto fa etsy Ambodimita !

Omaly, tomefy olona tokoa raha iny toerana iray, ampitan’ny Apipa iny. Voatery tonga teny mihitsy ireo tompon’andraikitra ny filaminana nandamina ny fifamoivoizana sy niezaka niaro ireo fokonolona. Nantsoina ihany koa taoriana kelin’io ry zareo avy eo anivon’ny mpamonjy voina. Fa nisy inona ? Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana, dia nisy olona nahita biby be miendrika voay nitapy andro, akaikina lakan-drano lehibe iray, teo amin’io toerana io. Rehefa nampandre ny manodidina sy ny fokonolona ireo nahita, dia tena voamarina tokoa fa voay ilay izy. Niely avy hatrany ny feo ary nihatonga maro ny olona. Angamba tao anatin’izany fisomebisebin’ny olona liana izay ,dia nilentika tanaty rano ilay biby ary tsy nipoitra intsony. Tao anatin’izany no nisy nampandre ny mpitandro filaminana sy ireo mpamonjy voina. Ireto farany no tonga nikaroka ity biby voalaza fa hitan’ny olona ity. Naharitra teo amin’ny adim-pamantaranandro iray latsaka kely ny fikarohana io voay io, saingy tsy nahitam-bokany mihitsy  izany. Niveri-maina an-dakazerina fotsiny ireto farany rehefa avy nanome toromarika ireo fokonolona sy ny tompon’andraikitra teny an-toerana.

Fandre matetika tokoa aorian’ny ora-mikija sy fiarakan’ny rano, toy ny nitranga tamin’ny herinandro teo, ny hoe fiakaran’ny voay an-tanàn-dehibe. Samy nahatadidy avokoa angamba ny rehetra ny zava-nitranga tetsy Mandroseza sy teny Anosibe.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici