Tsy niandry ela dia efa hita ireo olona nanao herisetra an-dalambe tetsy Ambodimita. Raha niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sarimihetsika izay misy azy ireo midaroka olona roa samihafa, ary tena daroka nandratra, omaly dia efa nampahafanatra ny polisy fa voasambotra ireo olona ary nanokafana fanadihadiana. Eo ihany ny hafainganan’ny fikarohana fa kosa nanampy betsaka ny sarimihetsika izay niparitaka ary nahitàna ny laharan’ilay fiarakodia marika Peugeot 309 izay nitondra ireo mpisetrasetra. Nitory avokoa ny olona naratra ka ny iray tany amin’ny zandary ary ny faharoa tany amin’ny polisy. Samy nanokatra fanadihadiana ireo ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Raha tsiahivina dia nisy telo mianaka izay nandeha kodiaran-droa ary niteraka hatezerana ho an’ireo mpandeha fiara izany noho ny antony izay hofaritan’ny fanadihadiana. Nijanona ny fiara, nivoaka ireo roa lahy ranjanana avy ao anatiny ary nidaroka ireo mpandeha kodiaran-droa. Niezaka niditra ny olona nanasaraka, indrindra raha nahita fa zaza mbola menavava ilay isan’ny nentina tamin’ny moto. Tsy nahasakana azy roalahy ny nidaroka ny raim-pianakaviana anefa izany. Nisy olona izay nalahelo ary niditra an-tsehatra nanasaraka kinanjo izy indray no niharan’ny rihitra. Sady voadaka teo amin’ny lohany no voan’ny totohondry ary koa dona amin’ny loha. Nisy olon-kafa koa tezitra ary nanampy tamin’ny fanohanana ireo roa lahy ary mbola sahirana koa. Voatery nikisaka ny olona ary soa fa mba nisy naharay ny laharan’ny fiara no sady azo tamin’ny finday koa ny sariny. Izany rehetra izany no nanampy tamin’ny fampahafantarana ny mpitandro ny filaminana ny zava-nitranga. Mandeha araka ny tokony hoizy arak’izany ny fizotran’ny fanadihadiana izay hiafara amin’ny fitsaràna an’ireo olona mpiady an-dalambe. Manarak’izany koa dia nomarihan’ny polisy tamin’ny fampitam-baovaony fa mamo ireo olona izay nidaroka ireo. Tsikaritra tato ho ato fa mirongatra ny herisetra an-dalambe saingy betsaka ny tsy voatatitra na tsy fantatry ny mpitandro ny filaminana satria tsy nisy fitoriana. Matetika mantsy ankehitriny, rehefa tsy azo sary dia toa ny tsy misy porofo. Ny zavatra tsara dia efa mailaka ny olona ny mampiasa finday rehefa mahita ny zava-misy, indrindra fa ny tsy rariny. Porofo mitohoka amin’ny tenda ireny ary manampy betsaka amin’ny raharaham-pitsaràna. Na izany aza, feno ny adiady etsy sy eroa eny an-dalambe ary mifandratra mihitsy. Maro no mahita fa izany dia endriky ny firodanan’ny sehatra maro izay mifameno, indrindra fa ny fanabeazana.
D.R