Ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahelamana amin’izao akatoky ny fety izao dia nisy hatrany ny fisafoana tsy tapaka ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena eto andrenivohitra sy ny manodidina. Tao anatin’izany indrindra no nahasamboran’ny pôlisy avy eo anivon’ny UIR, efa-dahy izay nampiahiahy teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry, ny harivan’ny talata lasa teo. Tamin’ny fisavana natao azy ireo dia nahitàna basy poleta, sokajiana amin’ny hoe “pistolet d’alarme” tany amin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy tsara sitrapo niantso ireto vondron’ny hery vonjy taitraan’ny pôlisin’ny kaomisaria ireto ny amin’ny fisian’iretsy andian’olona mampiahiahy nihaodihaody teny an-toerana. Nidina avy hatrany teny izy ireo, ny sasany moa dia nanao fanamiana sivily, nijery ny zava-nisy marina sy nanara-maso ny fihetsik’ireto olona voalaza ireto. “Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna an’ireo efa-dahy ireo Polisy nanao ny fitsirihana, ka nahitana basy poleta iray tao anatin’ny kitapon’iray tamin’izy ireo. Irony sokajiana ho “pistolet d’alarme” irony no hita tao anatin’ilay kitapo. Marihina fa izy itony no tsikaritra tato ho ato fa fampiasan’ireo jiolahy izay manao fanafihana sy vaky trano eto Antananarivo, noho izy ireny mitovy tsy misy valaka amin’ireo Poleta tena izy, ary koa mipoaka mafy toa ny basy”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Ny fanazavàna azo avy amin’ireto farany ihany no nahafantarana fa isan’ny poleta azo asiam-panovàna ity karazana fitaovam-piadiana ity ka mety mahafaty mihitsy. Nentina avy hatrany tetsy amin’ny Sut Tsaralalana moa izy efa-dahy ireto nanaovana famotorana ary natolotra ny teny anivon’ny fitsaràna nony avy eo. “Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana, dia mampitandrina ny Polisim-pirenena fa tsy mandefitra velively manoloana ny toe-javatra mampiahiahy toy izao, ary manentana antsika izay mitana fitaovana toy ireny mba ho tompon’andraikitra tokoa ary hampiasa izany araka ny tokony ho izy sy araka ny fitsipika sy lalàna mifehy izany, fa tsy natao isehosehoana na koa hanomezana vahana ny asa fanakorotanana”, hoy hatrany izy ireo.
m.L