Marobe ny olona monina eo anivon’ny fokontany Ambodinisotry no nahazo hafatra an-telefaonina, na « sms », avy amin’ny laharana tsy fantam-piaviana. Saika nitovy avokoa ny anton’izany dia ny fandrahonana ny mponina fa ho avy ny jiolahy ary hanafika, ato ho ato. Nandray fepetra avy hatrany ny lehiben’ny fokontany eo an-toerana ary nanao fampitam-baovao tamin’ny mpitandro ny filaminana. Fanindroany izao no nisy tranga toy izao, raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Ny voalohany dia ny mponina tao amin’ny “cité” Ambodinisotry iray manontolo no indray nisy nandrahona hanafika. Saingy mba tsy tontosa izany. Ankehitriny dia miverina indray ny fampihorohoroana ara-tsaina ataon’ireo olon-dratsy. Any ivelany, faran’izay mora ny manokatra fanadihadiana hahalalàna ny niavian’ny antso. Izany dia vokatry ny fanarahan’izy ireo ny fivoaran’ny teknolojia. Mila mba homena fitaovana mifandraika amin’izany ihany koa ny mpanao fanadihadiana eto amintsika…
D.R