Misy ny olona izay mitaraina fa misy andian-jiolahy izay mandrahona ireo mpamily fiara tratran’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Izany dia entina hanendahana azy ireo sy ny entana anaty fiara. Basy saromina anaty lamba no ampiasain’izy ireo, raha araka ny fanazavan’izay efa tratra. Tsy fantatra na tena izy na tsia io fitaovam-piadiana io fa noho ny tahotry ny ho faty kosa dia manaraka izay lazainy ny olona. Mifanandrify amin’ny « aigle noire » iny no tena hisehoan’ilay asan-jiolahy matetika.
D.R