Tsy mifidy izay ataony lasibatra intsony ireo jiolahy amin’iny faritra Ambodin’isotry iny. Tovovavy mpianatra handeha hamonjy sékoly no niharan’ny sinto-mahery ny alarobia 21 jolay 2021 lasa teo. Tamin’ny 1 ora sy sasany folakandro no nisehoan’izany asa ratsy izany. Niantso vonjy ilay tovovavy ka niditra antsehatra avy hatrany ny polisy nanao fanamiana sivily izay nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ka nahasambotra ireo olon-dratsy izay lehilahy miisa roa. Nentina teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-4 eny Isotry izy ireo mba hanaovana fanadihadiana. Fatatra nandritra izany fa vao nivoaka ny fonjan’Antanimora noho ny antony fanolanana ny iray tamin’ireto voasambotra ireto. Tonga nametraka fitoriana mia ilay tovovavy niharam-boina.
Mbola resaka fanendahana ihany fa tetsy Behoririka sy Ambondrona ary Soarano kosa ity manaraka ity. Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisy miasa ao amin’ny UIR Tsaralalàna amin’ny fanaraha-maso ireo faritra maro ento andrenivohitra mba ho faningorana ireo mpanao asa ratsy. Napetraka teny amin’ireo toerana be mpamezivezy ireo Polisy manao fanamiana sivily mba hanara-maso. Vokany, ny 21 jolay 2021 dia lehilahy miisa roa 27 sy 32 taona no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny raha nanatanteraka fanendahana teny amin’ny faritra Behoririka sy Ambondrona ary Soarano iny. Tsikaritr’ireo Polisy nanara-maso teny an-toerana izy ireo raha sendra nanaraka olona ho endahana.
T.M.