- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Mpanendaka 5 lahy voasambotra, mpanao taxi-phone ny iray

Ambodin’Isotry : Mpanendaka 5 lahy voasambotra, mpanao taxi-phone ny iray

Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanadiovana ho amin’ny fandriampahalena na « Opération de coup de poing » ataon’ny kaomisaria Boriborintany faha-4 eny Isotry, olona  dimy izay lehilahy avokoa no voasambotry ny Polisy, ny alahady sy alatsinainy  26 febroary 2018 teo noho ny fanaovana sinto-mahery teny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny. Ny alahady 25 febroary 2018 teo tokony ho tamin’ny sivy ora alina, dia voasambotra teo amin’ny fiantsonan’ny Bus  teo Ambodin’Isotry ny telo lahy. Izy  ireo moa, rehefa narahi-maso, dia hita fa mody miandry bus. Rehefa misy bus tonga eo dia misisika miaraka amin’ireo mpandeha  kanefa manararaotra mangarom-paosy ihany koa. Avy hatrany dia nosamborina izy telo lahy ka nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-4 mba hanaovana fanadihadiana. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo dia voatonona koa ny lehilahy roa voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Ny alatsinainy  26 febroary tamin’ny enina ora maraina dia niroso tamin’ny fisamborana iretsy farany ny Polisy. Vokatr’izany, dia tratra tao amin’ny fonenany teo Ampefiloha ny roalahy izay fantatra fa mpanao Taxi-phone eo Ambodin’Isotry ihany ny iray. Ity vokatra ity dia manaporofo fa tsy mikely soroka tokoa ireo mpitandro ny filaminana eny amin’iny faritra voalaza fa mafampana iny mba hamongorana ny asa ratsy izay tsy mitsaha-mitombo eny an-toerana. Nefa na izany aza , dia miantso ny fiaraha-maisa’ ny rehetra izy ireo mba tsy hisalasala hanome vaovao raha misy zavatra mampiahiahy mba hahatrarana ny tanjona tiana hotratrarina, dia ny fandriampahalemana hoan’ny vahoaka.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici