- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Mpanendaka , niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambodin’Isotry : Mpanendaka , niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ny sabotsy lasa teo  tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nisehoan’ity tranga ity,  teny amin’ny faritra Ambodin’Isotry. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia voalaza fa mpanendaka roalahy no niara-nanendaka teny amin’iny faritra iny, saingy ny iray tamin’izy ireo kosa voalaza fa tafaporitsaka rehefa nahavita ny asa ratsy. Vokany naratra mafy  ity farany . Vantany vao lavo tamin’ny tany ity rangahy iray ity , dia samy namely azy avokoa ireo  nahita rehetra teny an-toerana. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa efa mamo  ireto mpanendaka ireto , ka izay no nahavitany izao fanendahana izao . Rangahy iray izay nandalo no voalaza fa lasibatr’izy ireo tamin’izany , ary fantatra fa sakaosy iray no voasinton’izy ireo, izay voalaza fa nisy vola tao anatiny.Ity voaendaka kosa , dia nalaky niantso vonjy avy hatrany, ka teo vao samy taitra avokoa ireo mpandalo  sy mpiavarotra , ary ireo mponina teny Ambodin’Isotry. Niara-nientana ny olona hamono ity tsy tafatsoaka ka izay no nahavoa mafy azy. Rehefa afaka avokoa ny fon’ireo fokonolona maro dia niantso avy hatrany ny polisy izy ireo mba hanao ny famotorana momba ity lehilahy ity . Ka ny teo  anivon’ny mpitandro ny filaminanana no nanohy ny asa famotorana azy .

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici