Mpanendaka telo lahy no naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly rehefa avy natolotra ny fitsarana. Ny Alahady lasa teo izy ireo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-4 Isotry, nandritra ny hetsika manokana nataon’ity kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka ity, noho ny firongatry fanendahana eny amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina iny, tato ho ato. Teo am-panaovana ny asa-ratsiny teny amin’ny tetezan-dRamala izy ireo no voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Isan’ny paikady ampiharin’ny mpitandro filaminana tokoa ankehitriny ny fanaovana fanamiana sivily mba hanjonoana ireo jiolahy mpanao sinto-mahery sy harom-paosy; izay mitombo isa sy mifanaretsaka eny amin’ireny toerana heverina, fa mafampana sy be mpandeha ireny. Isan’izany ny eny amin’ireny toerana fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ireny. Irariana araka izany ny hitohizan’izao hetsika izao mba hamongorana ity fanetriben’ny firenena ity.
T.M.