- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Mpitandro filaminana nanakana taxibe tsy ara-drariny, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambodin’Isotry : Mpitandro filaminana nanakana taxibe tsy ara-drariny, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

« Efa nitangorona ny olona ary saika hanafay ity mpitandro filaminana ity, saingy izahay no mbola nandamina ny olona » hoy ny filazan’ity mpamilina taxibe iray taminay. Ny alatsinainy lasa teo, mpitandro filaminana iray no saika nianjeran’ny hatezeram-bahoaka indray raha teo « am-panapahana » taxi-be nanala olona marary, teo amin’ny fiantsonana teo  Ambodin’Isotry. Tamin’io fotoana io anefa no nipoitra tampoka ny mpitandro filaminana iray, nibahana avy hatrany tamin’ny môtô, ary nangataka ny taratasin’ny fiara fa hoe ela loatra ilay fiara teo amin’ny « arret ». « Efa niezaka nanazava izahay, niaraka tamin’ireo fianakavian’ilay marary fa tsy nety izy. Ary nitaky vola fa raha tsy izany tsy omeny ny taratasin’ny fiara. Izahay anefa tamin’io tsy hoe nampisy fitohanana na nibahana fifamoivoizana». Izany zavatra izany no nampiakatra ny hatezeran’ny olona nahita maso ny fanamparam-pahefana nataon’ity mpitandro filaminana ity. Saingy nanaiky nilamina izy ireo rehefa notenenin’ilay mpamily, araka ny fanazavana hatrany. Ny hany hery dia nandray ny taratasy filazan-tsazy avy amin’ilay mpitandro filaminana ary nandeha nody fa tsy afaka niasa intsony. Izy ireo rahateo, raha ny filazany tsy manana ilay volabe notakian’ilay mpitandro filaminana. Efa nandeha nitaraina teny amin’ny Lehiben’ity farany moa ity mpamilin’ity fiara ity. Fa alatsinainy hariva, andian’olona maromaro, efa mamo no nanao barofo taxibe teny amin’iny faritra Ambohidahy iny. Araka ny fantatra dia nanao amboletra niditra tamin’ity fiara fotsiny izy ireo ary rehefa tsy navelan’ny mpanampin’ny mpamily niakatra, dia nanapotika ilay fiara. Vaky noho izany ny fitaratra. Nandeha nitairana tany amin’ny tompon’andraikitra ny mpamily ka tamin’izany no fantatra fa mpitandro filaminana izy ireo, saingy tsy nanao fanamiana fotsiny. Efa iaraha-mahalala tokoa ity fangalam-piery ataon’ny mpitandro filaminana sy ny taxibe ity eto Andrenivohitra. Ekena fa misy tokoa ny tsindry hazolena sy ny fanamparam-pahefana ataon’iretsy voalohany indraindray, kanefa tsy azo lavina ary iarahan’ny rehetra mahita ihany koa hadalana sy fanararaotana maro isan-karazany ataon’ireo sasantsany amin’ireo taxibe eto Andrenivohitra, izay efa mampikaikaika ny maro tokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici