- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Nitifitra ny jiolahy, voaroba ny « cash-point »

Ambodin’Isotry : Nitifitra ny jiolahy, voaroba ny « cash-point »

Vao maraina dia efa raikitra ny fanafihan-jiolahy, tetsy Ambodinisory, omaly. Dimy lahy izay nitazona poleta telo raha kely indrindra no nanafika ny toeram-pangalana vola avy amin’ny alàlan’ny finday. Teo amin’ny ora fisokafany mihitsy, tamin’ny valo ora maraina, ary tao anatin’ny olona izay efa nifamoivoy teny an-dàlana, no niseho ny fandrobana. Ny telo niditra avy hatrany tao anatin’ilay toerana ary ny roa kosa nijerijery ny manodidina, sao misy miditra an-tsehatra. Lasa ny vola mitentina efatra tapitrisa ariary ary tsy vitan’izany fa mbola nitifitifitra ireo jiolahy. Soa anefa fa bala efa ratsy, izany hoe efa nampiasaina ary nosesehana vanja indray, no nampiasain’ireo. Tsy nisy nipoaka na ny iray aza, fa nilatsaka tamin’ny tany fotsiny. Nisy efatra no hitan’ny polisy mpanao fanadihadiana teo tamin’ny fidirana an-tsehatra nataon’izy ireo. Toy ny efa fantatr’ireo jiolahy mihitsy ny fisian’ny vola, satria raha vao maraina izany dia tsy voatery ho efa mihodina ny fifanakalozana ara-bola eo amin’ilay « cash-point » ary tsy voatery arak’izany ho efa nisy vola tao. Nefa dia tsy kisendrasendra ny fanafihan’ireo olon-dratsy; izay azo heverina fa fantany ny fisian’ny vola. Manaporofo hatrany izany, fa mafy ny mpitsikilon’ny jiolahy ary tena miasa mafy mijirika izay misy ny vola eto an-dRenivohitra ary koa ny fivezivezen’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici