Mora tonga fofona ny olona amin’izao, ka tsy manontany intsony ny anton’ny trangan-javatra iray vokatry ny tsaho mandaitra inian’ny sasany haely indraindray. Ramatoa iray sahabo ho 35 taona no naratra voadaroka omaly naraina tokony ho tamin’ny enina ora sy fahefany tetsy akaikin’ny tsenan’ Ambodin’ Isotry. Niaraka tamin’ny zanany mbola kely izay nitomany be, notrotroiny ary tsy nety nampanginina mihitsy ity ramatoa. Teo no nahatonga ny tsaho. Nisy nanondro ho mpangala-jaza mantsy izy vokatry ny tomanin’ilay zaza. Saika raikitra mihitsy ny fitsaram-bahoakan’izay nanatrika teo, raha tsy nisy olona iray sendra nandalo handeha hivarotra vao maraina nahafantatra an’ity ramatoa ity ary nanazava fa tsy dia salama saina loatra izy io ary io zaza mitomany io dia tena zanany. Ny ankamaroan’ny olona nanatrika teo dia tsy mba nanadihady akory fa raha vao naheno hoe mpangala-jaza dia nidaroka ary ny hamono ihany no tao an-tsainy. Mila mitandrina fa patsa iray tsy omby vava mety hamoizana aina amin’izao fahantrana izao.
Manitrisa