Tokony ho misasakalina sy sasany, ny alatsinainy hifoha talata teo no tafiditra tao an-trano ny jiolahy tsy fantatra isa. Tafafoha tampoka anefa ny tompon-trano ary nahavita nampandre ny mpitandro ny filaminana, nampitsoaka ny jiolahy izany. Ny fiara teo an-tokotany no tena nokendren’ireo voalohany. Raha ny fantatra, dia nisy vato sarobidy nafenina tao anatiny ary izany no nalain’ireo jiolahy. Novakiana avokoa ny kodiaran’ny fiara rehefa vita ny asaratsy. Amin’izay angamba tsy afaka ny hitondra fiara hanenjika ireo jiolahy ny tompon-trano. Isan’ny fomba nataon’ireo jiolahy mba tsy handrenesan’ny tompon-trano ny fanafihana ny famoanoana ny alika mpiambina ny tanàna. Efa nitsirara tamin’ny tany ary feno rà ilay biby no hitan’ny tompony. Tao an-trano indray, na taitra aza ny olona tao anatiny, dia mbola tsy namelan’ireo olon-dratsy ihany raha tsy azony ny “écran plat” tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Tsy misy alina iray intsony tsy hisian’ny fandrobàna eto An-drenivohitra ary toa lasa fandre mahazatran’ny olona aza ny asan-jiolahy. Toa efa fantatry ny olon-dratsy avokoa ny paikan’ny mpitandro ny filaminana rehefa midina an-tsehatra, ny fotoana sy ny toerana fandehananany matetika. Mila mandinika fomba fiady vaovao entina hiadiana amin’ny jiolahy.
D.R