- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Sarety nanidina, roalahy naratra mafy tototry ny gony

Ambodin’Isotry : Sarety nanidina, roalahy naratra mafy tototry ny gony

Nitrangana loza naharatrana olona indray omaly antoandro tokony ho tamin’ny iray ora, tetsy Ambodin’Isotry. Sarety iray nitondra entana tsy eran’ny ainy no nitsimbadika ambony ambany vokatry ny fahatapahan’ny taho mitazona ny kodiarana havia. Roa ny naratra, ka anisan’ny voa mafy ny iray tamin’ireo mpanosika, izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao, raha ny loharanom-baovao azo farany. Navesatra loatra ny entana nentin’ity sarety ity. Nikorisa ny voamaina tao anaty gony maromaro ka nanindry ny roa tamin’ireo mpanosika sarety. Matetika eto amintsika ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitondran’ireo fitaovam-pitaterana entana mavesatra loatra, noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra, no miteraka loza.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser