- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry sy Ankazomanga : Trano 45 tafo levon’ny afo tao anatin’ny iray...

Ambodin’Isotry sy Ankazomanga : Trano 45 tafo levon’ny afo tao anatin’ny iray andro

Nitrangana haitrano mahatsiravina teto Andrenivohitra ny alakamisy 28 martsa teo. Toerana roa samihafa no nisian’izany ka nahamaizana trano miisa 45. Ny voalohany dia teo Ambodin’Isotry ny marain’io Alakamisy io. Trano 10 tafo no lasa lavenona tamin’izany ary tsy nisy avotra avokoa ny entan’ireo traboina na dia tonga ara-potoana ihany ny mpamonjy voina avy etsy tsaralalàna. Ireto farany izay nanana fahasahiranana tokoa noho ny hateren’ny làlana miditra ao amin’ilay faritra nisy ny loza. Ny faharoa kosa dia niseho tetsy Ankazomanga. Trano 35 tafo no may tamin’izany izay fantatra vita amin’ny hazo no ankamaroany. Noho izany, haingana dia haingana ny niitaran’ny afo izay voalaza fa nivoaka tamin’ny trano hazo iray. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo tamin’ireo loza roa ireo. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’izany. Araka ny fantatra dia efa nandray ny andraikiny manoloana izao fahavoazana izao ny Fitondram-panjakana ka nisy ny iraka avy amin’ny governemanta nitondra fanampiana ho an’ireo trabopina omaly.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici