- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Teratany Italiana voaendaka, voadaroka tamin’ny vodibasy

Ambodin’Isotry : Teratany Italiana voaendaka, voadaroka tamin’ny vodibasy

Tamin’ny andro antoandro be indray ny fanendahana tetsy amin’ny faritra iva. Lasa ny vola 600 euros mahery, niaraka tamin’ny vola malagasy tokony ho 120.000 ariary eo ary ny telefaonina marika Iphone 4. Tsy vitan’izany fa mbola voavely tamin’ny vodibasy ihany koa ilay lehilahy. Teratany Italiana, mpizahatany, izay niaraka tamin’ny namany hafa no voaendaka tetsy Ambodin’Isotry afak’omaly. Raha araka ny vaovao azo, dia saika mba niaro ny tenany izy no sady nanenjika ireo mpanao ratsy koa. Saingy tsy afa-nanohitra, satria be no ho ny vitsy. Naratra ilay vazaha vokatry ny daroka nahazo azy. Poa toa izay kosa, dia tsy hita izay nanjavonan’ireo mpanendaka izay heverina ho efa mahafantatra tsara ny elanelan-trano sy ny toerana fitsoahana rehetra eny amin’iny faritra iva iny. Mbola mitombina hatrany raha amin’ny fijery tsotra ny hoe miverina mafampana iny boriborin-tany iny. Nisy ihany ny mpanendaka maromaro izay voasambotry ny pôlisy, saingy toa tsy nampijanona ny fanendahana izany. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny, dia ny hoe basy tena izy ve sa kilalao no ampiasain’ireo olon-dratsy. Nampiseho izany hatrany mantsy izy ireo tamin’izay fanafihana nataony, saingy hatreto dia miahiahy ny mpitandro ny filaminana, fa mety natao hampitahorana fotsiny ihany izany. Ny olona koa raha vao mahita basy fotsiny dia efa matahotra ary tsy hahavita ny hanavaka ny tena izy amin’ny kilalao, fa avy hatrany dia manaiky izay tenenin’ny jiolahy. An-tapitrisany hatrany no lasa isaky ny misy fanafihana tato ho ato teny amin’iny faritra iny. Na ity fanendahana vazaha ity fotsiny aza, dia efa manodidina ny 2 tapitrisa mahery ny teti-bidin’ny lasa rehetra : euros, ariary ary Iphone…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser