Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona indray omaly tetsy Ambodin’Isotry, tokony tamin’ny 11 ora latsaka. Tovolahy iray tokony ho 27 taona, mpanosika sarety, no nodomina fiara avy ao afara ka naratra. Raha ny fanazavan’ny namany niaraka nanosika sarety taminy, saingy teo alohany, dia ny tongony havia no tena voa mafy, satria nioritra saika tapaka mihitsy voahitsaky ny kodiarana havanana aloha. Raha ny voalazan’ny nanatri-maso ny loza kosa dia tsy tafajanona ity fiara ity satria tsy nihinana ny hisatra. Soa ihany fa tao anaty fitohanana ka nandeha mora ilay fiara, fa raha tsy izany dia faty olona indray no nitranga omaly. Nentin’ilay mpamily nandona tany amin’ny toeram-pitsaboana haingana ilay mpanosika sarety naratra. Raha ny nambaran’ny mponina eny an-toerana dia matetika isehoan’ny lozam-pifamoivoizana ity lalana ity, noho izy tery feno mpivarotra amoron-dalana sy be mpampiasa, ka manahirana ny fifamoivoizana. Manginy fotsiny ny harom-paosy sy sinto-mahery.
Manitrisa