Tovolahy iray manodidina ny 25 taona any ho any no tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana lamba, teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny, omaly hariva. Azo lazaina ho tofoka sy leo amin’ity fanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ity tokoa ny olona. Hany ka izay tratra aloha dia mitondra faisana mihitsy. Raha somary nangingina noho ireo vokatra isan-karazany nataon’ireo mpitandro filaminana ny olona, ny fitsaram-bahoaka dia niverina indray izany. Toy ity nitranga teny amin’ny tsenaben’Ambodin’Isotry ity. Araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana dia somary efa ela ihany izy no nihaodihaody teo amin’ilay mpivaro-damba, kanefa tsy hividy akory. Nanararaotra ny fahabetsahan’ny olona ranamana no naka ravin-damba izay sendran’ny tanany. Efa tsikaritr’ilay mpivarotra anefa, raha ny fitantaran’ny olona hatrany, ka dia noraisim-potsiny ilay tovolahy. Tezitra tokoa ny olona, nitangorona izay tsy izy teo, ary samy nanampatra ny ainy tamin’ity mpangala-damba ity avokoa. Ary dia saika ny ainy mihitsy no nanefa. Saingy nisy ny tapa-kevitra ihany tamin’ireo olona sasany hitondra ity mpangalatra ity ho any amin’ny mpitandro filaminana, raha ny fantatra teny an-toerana. Izay tokoa angaha ilay hoe, izay tratra aloha dia manefa. Niangona tamin’ity lehilahy ity avokoa mantsy ny hatezeran’ny rehetra amin’ny afitsok’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka, ary jiolahy, manao ny ataony amin’izao fotoana izao.
m.L