Ny alin’ny talata hifoha alarobia,no nitranga ny asan-jiolahy. Nanaram-po tanteraka ireo olon-dratsy 12 nitondra basy. Mba tsy nisy aloha ny aina nafoy na ny naratra, izay angamba no tena zava-dehibe raha oharina amin’ny zava-mitranga matetika ankehitriny. Na izany aza lasa avokoa ny entana mba noharian’ny fianakaviana maro. Ary dia tena nanaram-po tanteraka ireo jiolahy nanatontosa ny asany. Marobe rahateo izy ireo, hany ka mora ny nifarimbonany nibata ny entana izay nety tamin’izy ireo. Miaina anaty tsy fandriampahalemana tanteraka ny olona an-tanàn-dehibe ary raha ny faritra iny aza dia matetika no tsy dia matahotra ny olona, satria be olona lalandava ary misy mivezivezy andro sy alina. Saingy toa tsy ahoan’ny jiolahy intsony ny fisian’ny olona, indrindra rehefa misy basy eny amin’izy ireo.
D.R